Justice et Paix, diocèse Antsirabe : « Vinan’ny Fandriampahalemana »
Notontosaina ny Alakamisy 27 novambra 2025, teny amin’ny Akany AFAKA, ny atrikasa anaovana dinika sy adihevitra, ho fanohizana ny Vinan’ny Fandriampahalemana, fiainana lavitry ny tebiteby.
Anisan’izany ny fampidirana an-tsekoly ireo ankizy tsy mbola misitraka an’izany fampianarana izany.
Nanamarika ny fihaonana ihany koa ny fandrafetana ireo paikady ho entina manatanteraka ny vina.
« Ezahin’ny Justice et Paix, diosezy Antsirabe, ny fanabeazana ny olona ho amin’ny fiverenana an-doharano, fototra iray hahafahana mampivoatra ny fiainana. »

1 commentaire